"Pour un développement humain, intégral, solidaire et participatif, en harmonie avec le vivant"

 
 
 
 
 
 
 
 

Une réunion décisive pour ATEDD Actualités 28 MAI 2022 pour 28 jours durant 5 jours…  Journée mondiale de l'hygiène menstruelle

   COMMUNIQUE DE PRESSE

FANAMBARANA

 

Faizo araka izay henjana indrindra  ny mpanimba ny tontolo iainana ary aoka hanjaka ny rariny ho an’i Henri Rakotoarisoa !

 

Zoma 17 jona 2022 – 

Vono olona tamin’ny fomba feno habibiana. Izany no azo ilazàna ny nahafatesan’i Henri Rakotoarisoa, filohan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) MIALO. Tsiahivina fa vondron’olona mpitrandraka ala tsy manara-dalàna no nahavanon-doza. Hita faty ny 2 jona 2022 lasa teo tao amin’ny alan’Ankazondandy-Beparasy, teo anelanelan’ny distrikan’i Moramanga, Manjakandriana ary Andramasina ity mpiaro ny tontolo iainana, efa ho 70 taona ity.

 

Disadisa sy lonilony

Raha tsiahivina, dia tohin’ny tranganà disadisa nisy efa ela ity tranga iray ity. Nanao antso maro tamin’ny tomponandraikitra, mikasika ny fitrandrahana tsy ara-drariny tao amin’io faritra io i Henri Rakotoarisoa tamin’ny volana septambra 2021. Ho valy faty, dia nahavita nampiditra am-ponja vonjy maika (5 andro) an’i Henri ireo mpitrandraka ireo rehefa noendrikendrehina ho mpanakorontana ny fiarahamonina  tamin’izany. Teo am-pikarakarana famindram-pitantanana ny ala voajanahary miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny VOI MIALO sy ny sampandraharan’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy i Henri Rakotoarisoa no nisy   namono. Ity ala voajanahry ity moa dia mirefy manodidina ny 2000 ha.

 

Fanadihadiana

Olona miisa 35 no nitolo-tena teny amin’ny manam-pahefana noho ny fahatahorana fitsarambahoaka. Efa mitohy ihany koa ny fanadihadiana. Niakatra fampanoavana ny 7 jona lasa teo ity raharaha ity. Olona 28  amin’ny 35 no nomena fahafahana vonjimaika, ary 7 amin’izy ireo kosa no nahiditra am-ponja vonjy maika. Mbola tsy nohenoina kosa ny mpitory raha tsy amin’ny alatsinainy 20 jona hoavy io. Manara-maso akaiky izany ny firaisamonimpirenena ary manameloka mafy izao herisetra izao.

 

Mampiahiahy ho an’ny mpiaro ny tontolo iainana ity trangan-javatra nisy fanalàna ain’olona ity:

 

-   Ny fampihorohoroana sy tsy fiarovana ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny mpampaneno lakolosy ;

-   Ny tsy famaizana ny mpanao trafika sy ny fahasahian’ny tambajotra ny mpanao ratsy ;

-   Ny fitavozavozan’ny fandraisana andraikitra.

 

Mihazakazaka ny fanimbàna ny harena voajanahary. Nanomboka tamin’ny taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena, dia ala voajanahary mirefy 100 000 ha no simba isan-taona

( 500 000 ha izany tamin’ny taona 2017, rahany voalazan’ny Globa Forest Watch). Ny harena voajanaharintsika, toy ny hazo sarobidy, ny harena an-kibon’ny tany sy ny harena an-dranomasina dia misedra fahasimbana goavana. Ary matetika dia ny olona ambony no manatanteraka izany. Eo ihany koa ny fitavozavozan’ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny sehatry ny fandotoana tontolo iainana. Ankilan’izany, misy ny kolikoly avo lenta izay sarotra ny fanafohanana azy.

 

-   Manoloana ireo tranga ireo, izahay mpikambana ato amin’ny firaisamonimpirenena, manao sonia etoana dia miara mientana amin’ny fiarovana ny mpiaro ny tontolo iainana ary manentana sy mankahery hatrany ny vondrona ifotony COBA sy ny fokonolona tsy hihemotra fa hanohy ny fiarovana ny harem-pirenena ; ary mitaky ny fanagadrana mandrapahafaty  ireo nahavanon-doza;

 

-   Mangataka amin’ny Filohan’ny Repoblika izahay mba hanome lanja ny velirano faha 10 izay mikasika ny fitantanana ny harena voajanahary. Eo ihany koa ny velirano faha 3 izay momba ny fiadiana amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny fitsaràna tsy mitanila. Manoloana ny tranga misy ankehitriny, sazy maivana no azon’ny mpanao heloka be vava momba ny tontolo iainana. Tsy vita hatramin’ny farany matetika ny fanadihadiana ny raharaha mikasika ny fanimbàna tontolo iainana sy fanondrànana zavaboahary tsy ara-dalàna. Ny fametrahana ny fitsarana tsy mitanila dia ilaina ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy miantoka ny fiainanan’ny mpiaro ny tontolo iainana Malagasy ;  

 

-   Mangataka amin’ny fitondram-panjakana sy ny fitsaràna malagasy izahay,  mba hanome lanja ny lalampanorenana mikasika ny tontolo ianana sy ny satan’ny tontolo iainana malagasy ho an’ny tombotsoa iombonana, izany hoe ny andininy faha 5 : « Laharam-pahamehan’ny fanjakàna ny tontolo iainana »

 

-   Miantso ny fitondram-panjakana izahay mba hihaino ny firaisamonimpirenena. Antoky ny fahombiazana ny fiaraha-miasa mba hahatongavana amin’ny fahaizana mitantana ny harena voajanahary

 

-   Miantso manokana ny mpiantsehatra tsy miankina mba hiady amin’ny kolikoly sy ny tsy fampanjakana ny rariny momba ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Aoka isika mba ho tompon’andraikitra feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy  ho antoka amin’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny tontolo iainana.

 

-   Miantso ny mpiara-miombon’antoka izahay mba hiara hiasa amin’ny fitantana ny tontolo iainana. Maty momoka fotsiny ny fanampiana ara-pampandrosoana ary ts holovainjagy izany raha tsy hialohavan’ny fahaizamitondra tontolo ianana sy ny zavaboaary.

 

Antsoina ny mpisehatra sy ny olom-pirenena rehetra mba hiara hientana amin’ny fikambanan’ny firaisamonimpirenena mba hiarovana ny mpiaro ny tontolo iainana sy hanampiana azy ireo amin’ny fahafahany ary indrindra ny fiarovana ny fiainan’izy ireo. Andao hiara-hiady amin’ny tsy rariny manoloana ny tontolo iainana, izay nahavita naka ny ain’ny namantsika.

Mba hahomby ny ady sy ny fijoroana nataon’i Henri Rakotoarisoa.

COMMUNIQUE DE PRESSE

 

Stoppons les criminels environnementaux et justice pour Henri Rakotoarisoa !

 

 Vendredi 17 juin 2022 – 

Un meurtre sauvage et sans précédent. Ainsi se qualifie la mise à mort de Henri Rakotoarisoa, président du Vondron’Olona Ifotony (VOI) MAILO. À rappeler que ce meurtre a été commis par un groupe de trafiquants de bois. Le militant écologiste de 70 ans a été retrouvé massacré le 2 juin 2022 sous fond d’histoire de défense des ressources au sein de la forêt primaire d’Ankazondandy-Beparasy entre les districts de Moramanga, Manjakandriana et Andramasina.

 

Des antécédents de conflits

Pour rappel, ce meurtre est en effet une suite d’un conflit de longue date. Henri Rakotoarisoa a déjà maintes fois lancé des alertes concernant les exploitations illicites dans cette zone forestière. En riposte à cela, ces exploitants ont réussi à mettre Henri sous mandat de dépôt pour trouble à l’ordre public en septembre 2021.

D’ailleurs, Henri Rakotoarisoa a effectué avec les autres membres du VOI MAILO une requête pour le transfert de gestion pour la préservation de la forêt naturelle de transition d’Ankazondandy Beparasy, dernier vestige primaire de transition de près de 2000 hectares entre les trois districts précédemment cités. Le décès d’Henri a eu lieu juste au moment où le processus de validation du zonage a été entamé par la Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable de Moramanga.

 

Déferrement et enquêtes

Trente-cinq (35) personnes se sont rendues aux autorités.  Les investigations sont en cours. L’affaire a été déférée le 7 juin. Vingt-huit (28) personnes prévenues sur trente-cinq (35) ont été mis en liberté provisoire et 7 d’entre eux ont été placés sous mandat de dépôt.  Le procès de ce crime odieux devant le tribunal à Ambatolampy devrait avoir lieu ce lundi 20 juin. La société civile entend suivre de près cette affaire et condamne fermement ces actes de violence et de barbarie.

 

Derrière cet assassinat se cache une situation peu reluisante pour les activistes et l’environnement :

 

-  Le harcèlement des lanceurs d’alerte et leur non-protection ;

-   L’impunité des trafiquants et l’amplification d’un réseau de malfaiteurs ;

-   La tergiversation dans les prises de décisions.

 

Tout converge vers la destruction, la spoliation de nos ressources naturelles de manière galopante. Si à partir de l’Indépendance, la forêt naturelle de Madagascar perd 100.000 hectares  de sa couverture tous les ans (en 2017, elle a atteint les 500. 000 hectares  selon Global Forest Watch). Nos ressources naturelles telles que les bois précieux, les richesses minières, les ressources halieutiques sont assujetties à un pillage à grande échelle, souvent sous couvert de commanditaires hauts-placés. La question de la pollution se confronte à un atermoiement sur les mesures à prendre. En parallèle, la corruption de grande envergure peine à être endiguée.

Compte tenu de ces faits, nous Organisations de la Société civile, signataires de ce communiqué,            tenons à nous mobiliser pour la protection des lanceurs d’alerte et incitons  les Communautés de Base (COBA) et les fokonolona à poursuivre la sauvegarde de nos  patrimoines naturels et à ne pas baisser le bras. Que les auteurs du crime soient emprisonnés à perpétuité.

 

-  Nous exhortons le Président de la République de Madagascar à honorer le Velirano n°10 sur la gestion durable des ressources naturelles ainsi que le Velirano n°3 sur la lutte contre la corruption et l’établissement d’une justice équitable. Compte tenu des circonstances actuelles, les crimes environnementaux dans la majorité n’écopent pas la peine qu’il faut. Les dossiers sur les affaires environnementales ne sont pas toujours traités à fonds, les auteurs de crimes environnementaux sont souvent relaxés ou bénéficient souvent de la peine minimale. L’instauration d’une justice environnementale est essentielle pour le développement durable et  présentement, la vie des écologistes Malagasy qui en pâtit.

 

-  Nous demandons au Gouvernement, à la justice malagasy d’honorer la Constitution de la République dans son Préambule qui décrit l’Environnement comme d’Intérêt général et la Charte de l’Environnement malagasy, article 5 : « L’environnement constitue une préoccupation prioritaire de l’État »

 

-  Nous appelons l’État à mieux considérer et à être à l’écoute des organisations de la société civile. Une collaboration franche et transparente serait un gage de réussite dans une meilleure gouvernance environnementale ;

 

-  Un clin d’œil spécial au secteur privé à lutter contre la corruption et les abus surtout concernant les ressources naturelles et l’environnement. Soyons un secteur privé écoresponsable dans ces actes et moteur de développement pour l’environnement ;

 

-  Nous faisons appel aux partenaires techniques et financiers d’amplifier leur participation dans la gouvernance environnementale. Les assistances en développement seront en vain si elles ne vont pas de pair avec une meilleure gouvernance environnementale.

 

Tous les acteurs, tous les citoyens sont invités à joindre leur voix aux organisations de la société civile pour que les lanceurs d’alerte et les militants écologiques soient épargnés de toute sanction portant atteinte à leur liberté, surtout à leur vie. Ensemble, luttons contre les injustices environnementales qui ont coûté la vie à l’un des nôtres ! Que la lutte de Henri Rakotoarisoa ne soit pas vaine !

Signataires

22 plateformes régionales OSC (PFROSC)ACCEAFDFPAFHAMAGEVARENAIFMAIM I AIM (Action Intercoopération Madagascar)AJAMFAJEAJIPADAVG (Alliance Voahary Gasy) I ANAEAnkoayAPMMASITY MadagascarAsity Madagasikara I ASOS (Action Socio Sanitaire Organisation Secours Madagascar) I Associataion MAMYBIMTT CAPROCORNUS I CCOC Madagascar (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) I CEDII (Centre D'echange De Documentation D'information Inter-institutionnelles) I CMP  Tandavanala I CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar)CODE Menabe I COJEAACOMARESS (COalition MAlagasy pour le REnforcement des Systèmes de Santé et de la Vaccination)CRADESCREM I CROPH AADELC DRV (Dinika sy Rindra ho an'ny Vehivavy) I FAFAMA Association FAFITO FLM I FAMELOGNO I FANAMBY I FANOITRA I FAPBMIFBMM (Fikambanam-Behivavy Malagasy Mihoatra) I FEKRITAMAFFM Malagasy Mahomby Fiantso Madagascar I FIFAFI I Fondation  Tany  Meva I FONIALA I FTMF (Fikambanan'ny Tanora Mandala ny Fahamarinana) FVTM (Federasiona ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara) GERPGNEFM I GROUPE MANOVA I GTZ Gny   To tsy mba Zainy HAJAVAO I HARENA I HERY MIRAY I Ilontsera I JAI I LOVAINJAFY I Madagasikara Voakajy I MICET I MIRANGA I Mitsinjo I MMTM I MONEPT I MONEPT (MOuvement National pour l'Education Pour Tous) I MSIS-tatao (Multi-Sector Information Service I Tohana  sy  ainga  ho  an'ny  tambazotran'ny olompirenena) Observatoire de la Jeunesse I Observatoire National des Droits Humains I ONG EDENA I ONG FelanaONG Hintsy I ONG Ivorary I ONG LàlanaONG  Ravintsara ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy) I OPTAOSERPaca I PENSER I  PFNOSCM I VOIFIRAISANA  (Plate-forme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar) I PFPH/MAD (Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapés de Madagascar) I PFROSC /VOIFIRAISANA  Analamanga I PROSC Fitovinany I PROSC  Haute Matsiatra I PROSC  Sava I  PROSC  Vatovavy I  PROSC Alaotra Mangoro / PROSC Amoron’ I Mania / PROSC Analanjirofo / PROSC Androy / PROSC Anosy / PROSC Atsimo Andrefana / PROSC Atsimo Atsinanana / PROSC Atsinanana / PROSC Betsiboka / PROSC Boeny / PROSC Bongolava / PROSC Diana / PROSC FIVE Menabe / PROSC Itasy / PROSC Sofia / PROSC Vakinakaratra / PROSCI Ihorombe / RESEAU SOA / SAF FJKM / SAGE / SIF (Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany) / TAFATAFA / Tafo Mihaavo / TAMAMPIRAPI/TVMA / TAMIMPIRAMPI / TARATRA / Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) / UTBU / V3M / VOAHARY SALAMA / Voarisoa Observatoire /

 

ACCE

AFDFP

AFHAM

AGEVAREN

AIFM

AIM

AIM  (Action Intercoopération Madagascar)

AJAMF

AJE

AJIPAD

AVG (Alliance Voahary Gasy)

ANAE

Ankoay

APMM

ASITY Madagascar

Asity Madagasikara

ASOS (Action Socio Sanitaire Organisation Secours Madagascar)

Associataion MAMY

BIMTT

CAPROCORNUS

CCOC Madagascar (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes)

CEDII (Centre D'echange De Documentation D'information Inter-institutionnelles)

CMP  Tandavanala

CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar)

CODE Menabe 

COJEAA

COMARESS (COalition MAlagasy pour le REnforcement des Systèmes de Santé et de la Vaccination)

CRADES

CREM

CROPH AA

DELC

DRV (Dinika sy Rindra ho an'ny Vehivavy)

FAFAMA Association

FAFITO FLM

FAMELOGNO

FANAMBY

FANOITRA

FAPBM

FBMM (Fikambanam-Behivavy Malagasy Mihoatra)

FEKRITAMA

FFM Malagasy Mahomby 

Fiantso Madagascar

FIFAFI

Fondation Tany Meva

FONIALA

FTMF (Fikambanan'ny Tanora Mandala ny Fahamarinana)

FVTM (Federasiona ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara) 

GERP

GNEFM

GROUPE MANOVA

GTZ (Gny To tsy mba Zainy)

HAJAVAO

HARENA

HERY MIRAY

Ilontsera

JAI

LOVAINJAFY

Madagasikara Voakajy

MICET

MIRANGA

Mitsinjo

MMTM

MONEPT

MONEPT (MOuvement National pour l'Education Pour Tous)

MSIS-tatao (Multi-Sector Information Service/Tohana sy ainga ho an'ny tambazotran'ny olompirenena)

Observatoire de la Jeunesse

Observatoire National des Droits Humains

ONG EDENA

ONG Felana

ONG Hintsy

ONG Ivorary

ONG Làlana

ONG Ravintsara

ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy)

OPTA

OSER

Paca

PENSER

PFNOSCM /VOIFIRAISANA  (Plate-forme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar)

PFPH/MAD (Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapés de Madagascar)

PFROSC /VOIFIRAISANA  Analamanga

PROSC  Fitovinany

PROSC  Haute Matsiatra

PROSC  Sava

PROSC  Vatovavy

PROSC Alaotra Mangoro

PROSC Amoron’I Mania

PROSC Analanjirofo

PROSC Androy

PROSC Anosy

PROSC Atsimo Andrefana

PROSC Atsimo Atsinanana

PROSC Atsinanana

PROSC Betsiboka

PROSC Boeny

PROSC Bongolava

PROSC Diana

PROSC FIVE Menabe

PROSC Itasy

PROSC Sofia

PROSC Vakinakaratra

PROSCI Ihorombe

RESEAU SOA

SAF FJKM

SAGE

SIF (Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany)

TAFATAFA

Tafo Mihaavo

TAMAMPIRAPI/TVMA

TAMIMPIRAMPI

TARATRA

Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG)

UTBU

V3M

VOAHARY SALAMA

Voarisoa Observatoire

 

 

Retour